Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antenimierandoholona : lany tsy nasiam-panitsiana ny lalàm-pifidianana

Antenimierandoholona                  : lany tsy nasiam-panitsiana ny lalàm-pifidianana

Hanao ahoana ihany ny amin’ny lalàm-pififidianana? Lany tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona…

 Efa nampoizina? Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny fivoriana itambarambe teny amin’ny Antenimierandoholona, Anosy, omaly, ny volavolan-dalàna fehizoro telo: momba ny fifidianana filoham-pirenena, ny fifidianana solombavambahoaka ary ny fitsapan-kevi-bahoaka. Niainga avy amin’ny fanitsiana nataon’ny Antenimierampirenena, lany ny 3 avrily, ireo lalàna nolanin’ny loholona.

Loholona 56 amin’ny 63 no tonga nanatrika ny fivoriana, ka ny 53 amin’izy ireo no nandany ireo volavolan-dalàna fehizoro ireo. Na izany aza, mbola nahabe adihevitra, ohatra, araka ny tatitra tamin’ny asam-baomiera, ny amin’ny “Bulletin N° 2” sy ny “Bulletin N°3”, izay tokony hohazavaina amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ny fifidianana loholona sy ny fifidianana depiote, satria samy fidin’ny vahoaka avokoa ireo.

Nampisy fanontaniana ny andinin-dalàna sasany

Nampisy fanontaniana ihany koa ny amin’ny tsy famerana ny vola ampiasain’ny kandidà amin’ny fampielezan-kevitra, nefa misy ny fanaraha-maso ny kaontim-bola amin’izany. Mila faritana mazava koa ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra. Ahoana ny fizarana ny fotoana hanaovana fampielezan-kevitra amin’ny haino aman-jery?

Tsy hiteraka olana koa ve, ohatra, ny hoe maty na foana avy hatrany ny vaton’ny mpifidy, raha tsy ny lavotondro no hita amin’ny biletà? Nahoana no miverina amin’ny biletà isam-batan’olona indray fa tsy biletà tokana, amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika? Nefa efa sarotra ny fifandresen-dahatra tamin’ny fampiasana biletà tokana. Tsy hisy fiantraikany amin’ny fifidianana ve ny fiovaovana amin’ireo biletà ireo?

Andrasana ny fanapahan-kevitry ny HCC

Tsy nanisy fanitsiana ny Antenimierandoholona. Noho izany, tsy miverina any amin’ny Antenimierampirenena intsony ny lalàna fa haroso avy hatrany eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny maha araka ny lalàmpanorenana azy na tsia. Andrasana izany izay ho fanapahan-kevitry ny HCC.

Eo rahateo ny taratasy fiandry napetrak’ireo depiote 73 nitsipaka ny fomba nandaniana ireo lalàna fehizoro ireo teny anivon’ny Antenimierampirenena. Manginy fotsiny ny amin’ny votoatiny… Hampilamina ny fifidianana ve ireo andininy nampiady hevitra, nefa tsy nasiam-panitsiana?

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.