
“Olana teo amin’ny tsy fandriampahalemana ny tsy firindran’izany teo amin’ireo tompon’andraikitra. Harindra ny fomba fiasa miainga eny ifotony manomboka izao ary antenaina hitera-bokatsoa”, hoy ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana, omaly teny Mahazoarivo. Nanokatra amin’ny fomba ofisialy ny ity atrikasa hijerena paikady mahomby sy maharitra momba ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy ity ny tenany. Nohitsiny fa tsy resabe intsony izao atao izao. Hitadiavana paikady hatrany ifotony, manomboka eny anivon’ny kaominina hatra ny amin’ny distrika, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa samy ahitana tsy fandriampahalemana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Fa eo koa anefa ny tsy fandriampahalemana amin’izao hirosoana amin’ny fifidianan izao. “Hodinihina amin’izao atrisaka izao avokoa ny hifehezana izany rehetra izany ary tokony ahitana paikady maharitra sy mahomby”, hoy ihany izy.
Nanteriny fa tsy kabary tsara lahatra intsony ny tian’ny vahoaka ho hita.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.