
Tafapetraka, ny faran’ny herinandro, ny Webschool ao amin’ny sekoly ambony manofana ho « paramédicaux » ao Alaotra Mangro (ESPA), ao Ambarilava Moramanga. Fitaovam-pianarana mampiasa ordinatera misy « internet » ny Webschool ary manampy ny mpianatra amin’ny fikarohana, fanomanana ny fanohanan-kevitra aorian’ny fianarana ary indrindra, hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana atolotry ny mpampianatra ao amin’ny sekoly. Ankoatra ireo, afaka hifandray mivantana amin’ny sekoly manofana « paramédicaux » any Lille ny sekoly ao Moramanga. Hanohana eo amin’ny fampianarana sy fizarana ireo boky azo jerena amin’ny alalan’ny « internet » ny fiaraha-miasa eo amin’ny sekoly roa. Tetikasan’ny fikambanana Solidarité Madagascar-Rhône Alpes Auvergne avy amin’ny Groupama Fédération (matihanina amin’ny fiantohana) ny fametrahana ity Webschool ity. Mpiara-miasa akaiky ny Orange Madagascar. Nanome fitaovana maromaro rahateo izy ireo toy ny « serveur central », ordinatera sy kojakoja samihafa ahafahana mifampiresaka na miofana amin’ny alalan’ny « vidéo conférence ». Nanolotra « conexion » isam-bolana ho an’ny Webschool ny Orange.
Vonjy
Les commentaires sont fermées.