Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitry ny Tanora : “ara-dalàna ny Asief”

Minisitry ny  Tanora  : “ara-dalàna ny Asief”

 Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny  taom-pilalaovana ho an’ny eo anivon’ny Fikambanan’ny mpiasam-panjakana mpanao fanatanjahantena (Asief) ny minisitry ny Tanora sy ny  Fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean Anicet ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha.  “Ara-dalàna tanteraka ity ekipa tarihin’ny filohany, Botosera Jean Aimé  fantatra amin’ny hoe Jhone Love, ity. Manantena ny tenako  fa hahavita ny andraikitra sahaniny ny lehilahy. Tanora manana vina tsara  rahateo  izy”, hoy izy tamin’ny  lahateniny. Ankoatra  izany, hotanterahina any Toamasina ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ity taona 2018 ity, ho an-dry zareo eo anivon’ny Asief, araka ny nambaran’ny minisitra ihany. Hampiantrano ny andiany 2019  kosa ny any Antsiranana ary efa mampiomana sahady ny rehetra hiatrika izany. Tsiahivina fa efa nanomboka ny fifaninanana eto Analamanga  ary haharitra telo volana izany. Mazava ny  nambaran’ny filohan’ny Asief. “Tsy misy toerana ho an’ireo mpikarama anady ny fifaninanana karakarain’ny Asief fa natao ho an’ireo mpiasam-panjakana irery ihany”, hoy  izy.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.