Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

IFM – Madagascar Mozarteum : handray andrarezina ny kaonseritra klasika

IFM – Madagascar Mozarteum  : handray andrarezina ny kaonseritra klasika

 Azo lazaina fa hiavaka ary tsy fahita firy ny kaonseritra klasika, fanao isaky ny mitataovovonana, amin’ny alarobia faharoa amin’ny volana, ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely, rahampitso. Matihanina, manampahaizana ary anisan’ireo reharehan’i Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika no haneho ny talentany amin’ny fitendrena piano sy hizara ny fitiavany mozika, mandritra ny ora iray.

Tsy iza moa izany fa Andrianaivoravelona Mahery, anarana mety tsy faheno matetika teto amintsika kanefa manana ny maha izy azy. Mpampianatra ny amin’ny Conservatoire de Paris izy sady mpitendry fanta-daza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Hitety fotoana maromaro ny mozika hoentin’Andrianaivoravelona Mahery, amin’io kaonseritra miavaka io. Anisan’izany ny sanganasan-dry Fauré, Claude Debussy, Ravel, Rachmaninov ary Kapustin.

Tsiahivina fa mikarakara ny hetsika  « Kaonseritra klasika amin’ny mitataovovonana », ao amin’ny IFM, ny fikambanana Madagascar Mozarteum. Maimaimpoana hatrany ny fampisehoana ho fampahafantarana sy fampiroboroboana ny fankafizana mozika klasika. Efa andiany faha-89 ity hotanterahina rahampitso antoandro ity.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.