
Nanolotra vola mitentina 90 tapitrisa Ar ho an’ireo atleta 200 latsaka, hiatrika fiofanana sy fifaninanana any ivelany ny filoha Rajaonarimampianina, teny Iavoloha, omaly. Ho any Sinai reo hiofana ary hanainga ny alahady izao. Tsiahivina, atleta miisa 88 no hiatrika fiofanana any Sina, mandritra ny efa-bolana ary hanainga amin’ny alahady izao izy ireo. Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy fanatanjahantena, Andriamosa Jean Anicet, fa anisan’ny nahazoana izao ny fampanantenana sy fangatahana nataon’ny filoha, nandritra ny fitsidihany tany Sina tamin’ny taon-dasa ary nitondrany fisaorana. Notolorana lelavola 20 tapitrisa Ar. miampy taratasim-bola 20 tapitrisa Ar ho vatsin-dalana izy ireo. Nahazo ny anjarany koa ireo atleta anjatony hiatrika ny fifaninanana CJSOI, tanterahana atsy Djibouti ny 20 hatramin’ny 28 aprily izao. Mbola nanolotra vatsin-dalana mitentina 50 tapitrisa Ar (20 tapitrisa Ar lelavola miampy 30 tapitrisa Ar taratasim-bola) ny delegasiona. Hanainga ny 18 avrily ho avy izao kosa izy ireo.
Nanafatrafatra ny filoha
Nanafatrafatra azy ireo ny filoham-pirenena ny amin’ny tokony hahaizan’ireto atleta ireto manararaotra izany. “Betsaka ny zavatra tsara alainareo tahaka sy handraisana lesona rehefa any, hahafahanareo mampihatra sy mandresy rehefa tong ny fotoana hampiharana azy”, hoy izy. Tahaka izany koa ny hafany ho an’ireo hiatrika fifaninanana ka nilazany fa matoky azy ireo sahady ny firenena. “Efa nandresy ary nisongadina hatrany ny atleta Malagasy tamin’ny taon-dasa sy ny teo aloha. Antenaiko fa mbola hampiseho sy hiaro ny voninahi-pirenena ihany koa ianareo amin’ity”, hoy izy. Nanamafy ny solontenan’ny delegasiona fa isan’ny tosika tena ilain’izy ireo ny fijeren’ny mpitondra azy ireo akaiky tahaka izao ary tena famporisihana ho azy ireo izany.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.