Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fianarantsoa : hakatona ny mpivarotra sakafo tsy madio

Fianarantsoa  : hakatona ny mpivarotra sakafo tsy madio

Antony mitarika amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny tsy fitandroana ny fahadiovana rehefa mikarakara sakafo amin’ny akora sy fitaovana ampiasaina, matetika. Ho fanentanana ny toeram-pisakafoana sy mpivarotra sakafo masaka samihafa amin’ny fanajana ny fahadiovana, nisy fifampizarana momba izany teny amin’ny birao fiasan’ny faritra Matsiatra Ambony, ao Fianarantsoa ny herinandro lasa teo. Nikarakara ny fanentanana ny ivontoerana misahana ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny sakafo (ACSQDA) ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Nomarihina fa zava-dehibe ny fahadiovan’ny akora sy ny olona mikarakara ny sakafo, eo koa ny toerana sy ny fitaovana kirakiraina ary ny fomba hanamboarana ny sakafo. « Tsy maintsy voahaja avokoa ireo fepetra dimy ireo vao azo antoka fa tsy hiteraka fanapoizinana ho an’ny mpihinana », hoy ny talen’ny ivontoerana, Rakotovao Ravahatra Joelinirina.

Taorian’ny fanentanana, hidina hijery ny fampiharana ny fiofanana ny tomponandraikitra ao amin’ny sampandraharaham-parity ny fahasalamana ao Matsiatra Ambony sy ny fiadidiana ny kaominina ambonivohitra Fianarantsoa. Raha voatily fa tsy manaja ny fenitry ny fahasalamana ny toeram-pivarotana, mety hitarika amin’ny fanakatonana tanteraka. Manana taha ambony 62,5% amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza latsaky ny 5 taona sy ny reny mitondra vohoka na mampinono ny faritra nefa faritra mamokatra tokoa. Tsy hain’ny mponina ny mitrandraka sy manovaova ny fikarakarana ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana hitondra otrikaina. Hetsika nokarakaraina tao anatin’ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny fanentanana tany an-toerana momba ny fahadiovan’ny sakafo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.