Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Depiote Randriamandimbisoa Felix : “tsy demokratika ny nandaniana ny lalàm-pifidianana”

Depiote Randriamandimbisoa Felix  : “tsy demokratika ny nandaniana ny lalàm-pifidianana”

“Tsy demokratika ny fandaniana iny lalàna fehizoro iny. Satria vao nanomboka: nisy ny tsy fanarahan-dalàna, nisy ny toetra ratsy. Mba hahazoana tsy miroso tanteraka amin’ny ara-dalàna ny fandaniana izany lalàna fehizoro izany.”

Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny vondrona parlemantera Tim, Randriamandimbisoa Felix, mamaly ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika fa tamin’ny fomba demokratika no nandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana teny anivon’ny Antenimierampirenena, ny 3 avrily lasa teo. 

Mahagaga ny voalazan’ny filoham-pirenena hoe nandresy ny demokrasia. Nefa raha vao nampidirina tao amin’ny Antenimierampirenena ireo lalàna ireo, hita fa nisy toetra ratsy avy any amin’ny governemanta. Naninona no tsy nalefa tamin’ny fivoriana ara-potoana ny fandaniana ny lalàna fa aty amin’ny fivoriana tsy ara-potoana?

Mba tena hanao ny asany ny Bianco

 Efa tonga tao amin’ny fivoriana ara-potoana izany, mila 15 andro ny fandinihana izany lalàna fehizoro izany mialoha ny hametrahana azy eo anivon’ny Antenimierampirenena. Nony tonga anefa ny volavolan-dalàna, tsy ampy izay 15 andro izay ka voatery naverina ary nihemotra indray…

Mila milaminana sy fotoana malalaka ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna fehizoro izay lalàna lehibe, araka ny fanazavany. Niaraha-nahita fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fandaniana azy, fa nisy ny fanomezana kolikoly. Inoany fa hanao ny asany araka ny tokony ho izy ny tale jeneralin’ny Bianco, fa tsy ho voan’ny tsindritsindry na ny mena miraviravy.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.