
Nontanterahina tao amin’ny kolejy Fo Masin’i Jesoa ao Fianarantsoa, ny asabotsy 7 avrily lasa teo ny fikaonandoha momba ny toekarena ho an’iny faritany iny. Nahaliana ny maro izany satria ho amin’ny fampandrosoana iny faritra iny.
Lohahevitra tamin’izany : “Ny fepetra arahina amin’ny fiaingana ho an’ny toekarena “. Nisongadina tamin’izany ireo teboka dimy iankinan’ny fampandrosoana ny toekarena ary niadiana hevitra. Eo ny fitantanana mahomby, ny kolikoly sakana ho an’ny fampandrosoana, ny tontolom-pamokarana ary ny lanjam-bola eto amintsika. Nahaliana ireo mpandray anjara maherin’ny 1 000, izany. nahitana solontena maro avy amin’ny sehatra rehetra rahateo ny adihevitra. Anisan’izany ny mpianatra, ny mpampianatra, ny antoko politika rehetra any an-toerana, ny mpahay toekarena, ny raiamandreny sy ireo tanora na koa manana ny toerana maha izy azy ao anatin’ny faritra.
Fototra iaingan’ny paikady rehetra
Manampy ireo ny ONG, ny fiarahamonim-pirenena ary ny solontena avy amin’ny mpitondra fanjakana. Tanjon’ny adihevitra ny ahafahana mamakafaka ny tena olana misy marina eny ifotony, araka ny nambaran’ny mpandrindra ny Crem Fianarantsoa, Zavamanitra. “Ahazoana mamoaka antontan-taratasy lasitra ny fihaonana ary fototra iaingana amin’ny fanatanterahana ny paikady rehetra ho fampandrosoana ny faritany izao. Hivoitra ny fikarohana sy vokatra siantifika satria mpampianatra sy mpahay toekarena ary mpikambana ao anatin’ny Crem ny ankamaroan’ ireo nanao famelabelaran-kevitra tao anatin’ny fikaonandoha”, hoy izy.
Niara-niasa tamin’ny fanatanterahana izany ny oniversite avy eto Antananarivo sy i Fianarantsoa. Niahy izany kosa ny FFKM Fianarantsoa, ny CFM Fianarantsoa ary ny raiamandreny any an-toerana.
Tsiahivina fa tohin’ny fikaonandoha efa natao taty Antananarivo izao natao tany Matsiatra Ambony izao.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.