Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anosibe : saron’ny polisy i Maki

Anosibe  : saron’ny  polisy i Maki

 Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy eny Mahamasina, omaly maraina teny Anosibe, ny jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Maki, 18 taona. Araka ny fanazavan’ny polisy, telo volana no nikarohana ity jiolahy raindahiny ity kanjo tratra ihany izy. Ny 19 janoary 2018 tamin’ny 3 ora maraina, nendahina jiolahy teo amin’ny tsenan’Anosibe ny renim-pianakaviana iray haka entana vao maraina. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola rehetra saika hakana entana tamin’io fotoana io niaraka tamin’ny finday. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny polisy eny Mahamasina ilay renim-pianakaviana voaendaka. Nandeha avy hatrany ny fikarohana nataon’ny polisy ka fantatra fa eny Anosibe Angarangarana ny iray amin’ireo jiolahy ireo no mipetraka.  Rehefa nijery azy teny anefa ny polisy, tsy tratra tao mihitsy izy fa lasa nitsoaka. Tsikaritry ny polisy nivezivezy teny Anosibe anefa i Maki omaly ka noraisim-potsiny. Nohamafisin’ny polisy fa ao anatin’ireo lisitry ny jiolahy karohina hatry ny ela ity jiolahy ity. Niaiky  ny heloka vitany izy  nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Ny volana desambra 2017 izy no nivoaka ny fonja noho ny resaka fanaovana sinto-mahery sy fanendahana, kanjo nanohy ny asa ratsiny indray.

J.C

Les commentaires sont fermées.