Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy afa-nihazo an’i Mahajanga… : nilatsaka ny didy jadona, navoaka tao anaty fiaramanidina Rajoelina

Tsy afa-nihazo an’i Mahajanga…  : nilatsaka ny didy jadona, navoaka tao anaty fiaramanidina Rajoelina

 Hatramin’ny minitra farany, tsy afaka nanainga nihazo an’i Mahajanga, hihaona amin’ny vahoaka aty an-toerana ny filohan’ny Tetezamita Rajoelina, omaly, noho ny didy jadon’ny fitondrana HVM. Efa nahazo fandrarana ny fiaramanidina manokana saika hitondra azy, mbola nofoanana koa ny sidin’ny fiaramanidina Air Madagascar, na dia efa tao anatin’izany aza izy. 

Efa teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato saingy, tsy tafainga. “Nanao ny ezaka rehetra aho hihaonana amintsika vahoakan’i Mahajanga, saingy tsy misy ny fahalalana sy ny fahafahan’ny olom-pirenena mivezivezy. Misy ny jadona ka tsy navela handeha fiaramanidina manokana izahay sy ny vady aman-janako. Nikasa handeha fiaramanidina Air Madagascar koa avy eo ary efa vonona hiainga saingy nilatsaka ny baikon’ny filoha Rajaonarimampianina sy ny governemanta tsy namela anay hiainga ary navoaka tao anaty fiaramanidina”, hoy ny filohan’ny Tetezamita,  Rajoelina Andry, niditra an-telefaonina mivantana tamin’ireo vahoaka marobe teny  amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy Mahajanga, omaly hariva.

Nohitsiny tamin’izany fa voasakantsakana tanteraka ny tenany ary tsy navela hihaona amin’ny vahoakan’i Mahajanga. Na izany aza, nampanantena ny tenany fa tsy maintsy mbola hisy ny fotoana handehanany aty Mahajanga. “Miandry ny toromarika isika… Aoka ho tony“, hoy izy. Anton-dian’ny filohan’ny Tetezamita ny fanasan’ny ben’ny Tanàna sy ny kaominin’i Mahajanga azy amin’ny fitokanana ampahan-dalana roa ary koa hanolotra fanomezana sy fanampiana ho an’ny mponina. Tsy tanteraka anefa izany noho izao antsojain’ny fitondrana HVM izao. Anisan’ireo tompon’antoka amin’izao fanakanana izao ny eo anivon’ny ACM sy ny minisiteran’ny Fitaterana noho ny korontana ambaran’izy ireo fa mety hiseho ao Amborovy. Tsy nisy naoty anefa izany fa am-bava fotsiny ihany.

Nanamarika izany koa ny efa nikatonan’ny varavaran’ny fiaramanidin’ny Air Madagascar. Efa tao avokoa ireo mpandeha, saingy nambaran’ny kaomandin’ny mpanamory fa nofoanan’ny fitondrana ny sidina Mahajanga ary nampidinina avokoa ireo mpandeha.

Fitondrana kanosa sy malemy ary mpanao jadona

Na teo aza ny fahadisoam-panantenan’ireo vahoakan’i Mahajanga, nirava am-pilaminana naneho ny alahelony amin’izao fihetsiky ny fitondrana izao izy ireo. Efa nialohavan’ny lahatenin’ny depioten’i Mahajanga, Nina sy ny ben’ny Tanàna, Moukthar Salim, rahateo izany. “Mila tony isika ary hody am-pilaminana ary aoka ho mailo amin’ny mpanararaotra. Milamina sy hendry ny vahoakan’i Mahajanga… Misy farany avokoa ny zava-drehetra“, hoy izy ireo.

Midika izany fa kanosa sy tena malemy izao fitondrana izao ary tsy manana fahitsim-po. Manampy izany ny tahotra satria hanahirana azy ireo ny fitiavan’ny vahoakan’i Mahajanga ny mpanorina ny TGV, vory marobe sy efa niandry amin’ireo lalana rehetra niainga eny Amborovy. Tsy maintsy nitady hevitra ny HVM ka hany lalan-tokana nizoran’izy ireo ny fanakanana mialoha an-dRajoelina teny Ivato. Nilamina ny tanteraka ny tapakandro hariva, taty Mahajanga. Nitohana tanteraka kosa anefa ny ankamaroan’ny lalana noho ny hamaroan’ny fiara sy ireo bajaj ary koa ireo nandeha tongotra avy eny Amborovy.

Iraka manokana aty Mahajanga Synèse R.

Les commentaires sont fermées.