Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Robert Yamate : «commandeur de l’Ordre Nationale»

Robert Yamate   : «commandeur de l’Ordre Nationale»

“Faly aho nahatanteraka ny ampahany lehibe tamin’ny iraka nampanaovina ahy…”. Anisan’ny teny nataon’ny masoivoho amerikanina teo aloha, Robert Yamate, izany nandritra ny lanonana tsotra nankasitrahana azy, tamin’ny alalan’ny fanomezan’ny fanjakana mariboninahitra “Commandeur de l’Ordre Nationale” azy, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly. Tsiahivina fa handao an’i Madagasikara tanteraka, taorian’ny telo taona naha masoivohon’i Etazonia azy i Robert Yamate.  Nisongadina tao anatin’izany telo taona izany, ny fiverenan’i Madagasikara ho isan’ireo firenena afrikanina misitraka ny Agoa, ny tantsoroka nataon’ny Amerikanina tamin’ny alalan’ny fanampiana ny mponina tratran’ny haitany sy ny kere any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, ny tohana amin’ny vokatry fiantraikan’ny loza voajanahary, ny lafiny fahasalamana, toekarena… Fa indrindra, ny fanohanana amin’ny fampiroboroboana ny demokrasia sy ny ady amin’ny kolikoly…

Nankasitrahan’Atoa Robert Yamate manokana tamin’izao nandraisany mari-boninahitra izao ireo mpiara-miasa akaiky azy tao amin’ny masoivohon’i Etazonia, ireo mpilatsaka an-tsitrapo (Peace corps Madagasikara), ny avy ao amin’ny USAID, ary ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny masoivoho amerikanina eto an-toerana.

M.R.

Les commentaires sont fermées.