Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maintirano : dahalo 13 lahy saika hanafika voasambotry ny fokonolona

Maintirano  : dahalo 13 lahy saika hanafika voasambotry ny fokonolona

13 lahy indray voasambotry ny fokonolona. Dahalo raindahiny ireo ary norohizina tamin’ny tady natolotra ny zandary. Mba tsy tratran’ny fitsaram-bahoaka.

Tratry ny velam-pandriky ny fokonolona ny dahalo nikasa hanafika tany Ampanasana Maintirano, ny alakamisy teo. Voalaza fa dahalo raindahiny nampitondra faisana iny faritra Melaky iny sy Bongolava ireo. Tratra tany amin’izy ireo ny basim-borona efatra, P.A roa miampy ny famaky sy antsy lava, ary karazan’ody.

Tsy nampoizin’ireo dahalo nikasa hanafika ny vela-pandriky ny fokonolona. Tsy tanteraka, noho izany, ny fikasana hanafika. Norohizin’ny fokonolona ireo ary nentina natolotra ny zandary. Mba tsy niharan’ny fitsaram-bahoaka izy ireo, na nisy ihany aza ny karazana fampijaliana nahazo.

Tamin’ity indray mitoraka ity mba tsy nisy izany ny fitsaram-bahoaka. Ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitsara aorian’ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ireto dahalo ireto no hametraka fitokisana ho an’ny fokonolona ka hanafoana ny fitsaram-bahoaka.

Matetika mantsy, votsotra ireo dahalo na vetivety ihany ny fijanonany any am-ponja, avy eo anefa mamerin-keloka ihany ireo, ary misy mihitsy ny mahavita mandrahona ny fokonolona. Ireo antony ireo no mahatonga ny olona ho tezitra, ka miafara amin’ny famonoana izany rehefa misy dahalo tratra eo indray. Fandikan-dalàna izany, kanefa mifampiankina ny raharaha rehetra. Atolotra ny fitsarana ireto 13 lahy rehefa vita ny famotoran’ny zandary.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.