Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

 Hahazo orana betsaka ny faritra Atsimo Andrefana indrindra ny ati-tany rehetra mandritra ny faran’ny herinandro, araka ny tomban’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Sambany hirotsaka ny orana amin’izao volana avrily izao any an-toerana. Ho an’ny rahampitso, eto Antananarivo, handrahona ny andro ary mety harahina orana fa hisava ihany izany. Hitovy amin’izay ihany ny mety ho toetry ny andro ny alatsinain’ny Paska.

Ahina koa ny filatsahan’ny havandra sy orana miaraka amin’ny toerana avo sy manakaiky tendrombohitra toy ny ao Vakinankaratra sy ny manodidina rehetra.

Ny tapakandro hariva, hiseho ny oram-baratra any Itasy sy any Ankaratra. Any Mahajanga, hirotsaka ny orana ny maraina fa hisava ihany.

Taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza Enawo sy Ava,  anisan’ny faritra voa mafy i Maroantsetra. Mbola tsy tafarina ny takaitra tany an-toerana dia efa nisedra ilay rivodoza Eliakim indray ny mponina tany. Nisy ny hetsika fanarenana ny fahavoazana sy nentina nanampiana ny mponina tamin’ny alalan’ny asa tanamaro ho fanamboarana ireo fotodrafitrasa iombonana simban’ireny rivodoza ireny tamin’ity herinandro ity. 11.250 ireo olona voakasik’izany ka nokaramaina nandritra ny telo andro.

 Nihetsika ny tany teto Antananarivo, omaly tamin’ny  1 ora sy sasany maraina. Tsy naharitra ny fihetsehana fa betsaka kosa ny naheno azy.

 

 

Les commentaires sont fermées.