
Fiara 4×4 marika Toyota iray nalain’ny polisin’ny faritany teny Analakely, ny alarobia hariva teo, rehefa hitan’ny vazaha iray fa mitovy amin’ilay fiarany very izy io. Tonga teny an-toerana ny polisy ary nisava ny taratasy momba ny fiara ka tsy nahita taratasy ara-dalàna. Nentina ary tazonina eny amin’ny polisin’ny BC Anosy io fiara io. Voalaza fa tsy tena izy intsony ny laharan’ny “châssis » fa efa namboarina ary natao tamin’ny «soudure » izany. “Tsikaritra ihany koa ny karazana fanovana natao tamin’ny fiara toy ny loko, ary tsy mifanaraka ny taon’ny fiara sy ny misoratra amin’ny “carte grise”. Raha tokony ho fiara nivoaka ny taona 2012 ny karazany, misoratra amina fiara nivoaka ny taona 2009 izany”, hoy ny fanazavana.
Mandeha ny fanamarinan’ny foiben-toerana mpikarakara ny laharan’ny fiara (centre d’immatriculation) momba ity raharaha ity, ary ny talata ho avy izao no ho fantatra ny valin’izany. Raha ny fanazavana azo, efa tambajotra iray mihitsy ny halatra fiara 4×4 eto an-dRenivohitra. Efa nisy 4×4 Toyota iray tratra talohan’izao, ary efa vita hosoka avokoa ny taratasy, ny loko sy ny laharan’ny fiara. “Efa tambajotra mihitsy izy ity ary efa fantatra avokoa ny fomba fanaonin’ireo olon-dratsy. Misy antsoina hoe Gerald anisan’ny atidoha ary misy ny zandary tafiditra amin’izy ity ary efa mandeha ny fanadihadiana”, hoy ny fanazavana.
Yves S.
Les commentaires sont fermées.