Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifanakalozana kolontsaina : nihazo an’i La Réunion ny Malagasy Gospel

Fifanakalozana kolontsaina  : nihazo an’i La Réunion ny Malagasy Gospel

Lasa any Nosy La Réunion, ny alarobia teo, ireo tovovavy miisa 14 miampy an’i Harris, hany tovolahy, ao anatin’ny tarika Malagasy Gospel, sahanin’ny fikambanana Bel Avenir any Toliara. Hibahan-toerana, mandritra ny tapa-bolana hivahinian’izy ireo any, ny fizarana, ny fahalalana ary ny ​fifanakalozana kolontsaina.

Antoko mpihira miavaka amin’ny fanaovana hira « gospel » ity tarika ity. Vehivavy avokoa ny mpikambana, ankoatra an’i Harris, izay mpihira sangany. Avy amin’ny faritra ahitana fianakaviana sahirana, any Toliara any, avokoa izy ireo ary sahanin’ny tetikasa momba ny fanabeazana sy ny sosialin’ny Bel Avenir.

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-15 taon’ity fikambanana ity ny nandehanan’ny Malagasy Gospel any La Réunion. Feno dia feno ny fandaharam-potoan’izy ireo any. Rahampitso, ohatra, hisy ny fampisehoana hotanterahin’izy ireo miaraka amin’ny Kouler Gospel, ao Saint-Benoît. Hitohy any Saint-Denis, Tampon, ary ny Saline les  Bains izany, ny 3 hatramin’ny 6 avrily.

Miara-manatontosa izao fivahiniana izao ny tambajotra Eau de coco, ny fikambanana Eau de coco Réunion ary ny Bel Avenir. Tanjon’izy ireo koa ny ahafahan’ireo tanora manovo fahalalana bebe kokoa momba ny kolontsaina hafa sy ny zava-misy any ivelany any.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.