Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampanarahan-dalàna : nentanina handoa hetra ireo tompona “karaoke”, “cabaret”…

Fampanarahan-dalàna  : nentanina handoa hetra ireo tompona “karaoke”, “cabaret”…

Nanatanteraka dinikasa niaraka tamin’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany manao ny asa fivelomana momba ny “karaoke” sy “cabaret” ary “boite de nuit” eto amin’ny tanànan’Antananarivo tamin’ity herinandro ity ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Nitondra fanampim-panazavana mahakasika ny lalàna mifandraika amin’ny hetra  ny teo anivon’ny “direction générale des impots” avy amin’ny fitondrana foibe.

Fantatra, araka ny lalàna laharana 2014-02 tamin’ny 27 septambra 2014 fa tsy maintsy mandoa hetra amin’ny fanjakana ireo rehetra manao asa fivelomana an’ny “karaoke” sy “cabaret” ary “boite de nuit” ireo.

Miditra amin’ny kitapom-bolan’ny faritra ny 50%-n’izany hetra izany. Miditra any amin’ny kaominina kosa ny 30% ary miditra any amin’ny faritrany ny 20%.

Voalazan’io didim-pitondrana io, ho an’ny olona mpanao “karaoke” fa raha latsaky ny 25m2 ny toerana iasana, 30 000 Ar isam-bolana ny vola aloa. 40 000 Ar isam-bolana kosa izany raha 25m2 ka hatramin’ny 75m2 ny toerana iasana.  Mitentina 80 000 Ar isam-bolana kosa izany raha miohatra ny 75m2 ny toerana anaovana “karaoke”.

Ho an’ireo tompona  “cabaret” sy “boite de nuit” kosa, mitentina 100 000 Ar isam-bolana ny hetra tokony haloany amin’ny fanjakana.

Nampahafantarina ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fialambony anaty trano ireo ny dingana tokony haleha rehefa handoa ny hetra. Teo koa ny fanentanana azy ireo hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.