Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahatsiarovana ny 29 marsa 47 : fampielezan-kevitra politikan’ny mpitondra ny hetsika

Fahatsiarovana ny 29 marsa 47 : fampielezan-kevitra politikan’ny mpitondra ny hetsika

Vita ny fahatsiarovana ny 29 marsa 47. Mbola namela ako… Nataon’ny fitondram-panjakana fitaovana amin’ny fampielezan-kevitra politika.

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, fametrahana fehezam-boninkazo, fanolorana mariboninahitra, fiaraha-misakafo… Toy ny mahazatra sy fanao isan-taona, saika ireo hatrany  no entin’ny fitondrana mahatsiaro ny 29 marsa. Ny lohahevitry ny hetsika no miova, arakaraka ny toe-draharaham-pirenena sy izay tian’ny mpitondra hovoizina amin’izay mahametimety azy.

Tamin’ity, amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, lohahevitry ny hetsika ny hoe: “Tolom-panafahana 1947: Firaisankina ho fisandratan’i Madagasikara”. Tsy inona fa ny fandresen-dahatry ny mpitondra amin’ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena.

Kabary politika… fampielezan-kevitra

“Fanoherana bontolo hatrany sy fanakorontanna hatrany ve no mbola hanakanana ny fisandratana eto amin’ity firenena ity?Hiroso hatrany amin’ny fisandratana isika… Hahazoantsika mijery lavitra amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vina fisandratana”, hoy, ohatra, ny kabarin’ny filoha Rajaonarimampianina tany Moramanga, afakomaly.

Miantso ny vahoaka malagasy hitodika ho amin’ny firenena izy. “Andao hiara-misalahy sy hiray hina hanandratra ny firenentsika”, hoy izy. Nilaza hitondra fampandrosoan ara-toekarena ho an’ny firenena izy ao anatin’ny vina fisandratana. Ny zava-dehibe amin’izany ny fisandratan’ny toe-tsaina enti-miatrika ny fampandrosoana ny firenena.

Tsy voafehy ny raharaham-pirenena

Mila mitolona sy mifampitarika isika rehetra, fanjanahatany amin’ny endriny samihafa no miseho amin’izao fotoana izao: manondrana tsy ara-drariny ny haren’i Madagasikara, miray tsikombakomba amin’ny fanakorontanana ny fiarahamonina, manjaka ny kolikoly izay mampahantra ny vahoaka malagasy…

Tsy ny hifehy izany ve no nifidianan’ny vahoaka ny mpitondra? Nandritra izay fe-potoam-piasana izay, inona no vita ny amin’izany rehetra izany? Sao mijery lavitra loatra… Inona na iza no tena mahatonga ny fanondranana tsy ara-drariny ny harem-pirenena? Eo koa ny firaisana tsikombakomba amin’ny fanakorontanana ny fiarahamonina na noho ny ady tany etsy sy eroa ihany aza, ny fampanjakana kolikoly avo lenta mampahantra ny vahoaka… Ny fahatsiaraovana ny 29 marsa avy ka anaovana fampielezan-kevitra politika?

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.