Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankatoky ny fety : miaka-bidy ny akoho amam-borona

Ankatoky ny fety  : miaka-bidy ny akoho amam-borona

Saika hita manerana ny tsena ny fitobaky ny akoho amam-borona. Miakatra ny vidiny rehefa fety toy izao. Tsy misy latsaky ny 10.000 Ar ny vidin’ny akoho vatombatony. Tafakatra hatramin’ny 30.000 Ar izany ho an’ny reny akoho vaventy na ny akoholahy.

Manodidina ny 20.000 Ar ka hatramin’ny 30.000 Ar kosa ny ganagana sy ny sarin-dokotra arakaraky ny habeny.

Ho an’ny gisa, 60.000 Ar ny mora indrindra amin’ireo salantsaklany. Misy hatrany amin’ny 100.000 Ar izany ho an’ireo vaventy ampy tsara ny mpianakavy. Tafakatra hatrany amin’ny 190.000 Ar kosa ny vorontsiloza vaventy be milanja hatrany amin’ny 11 Kg any. 100.000 Ar ny  mora indrindra amin’ireo vorontsiloza vavy kelikely.

Nilaza ireo mpivarotra fa miakatra be ny vidin’ny akoho amam-borona any amin’ireo mpiompy mihitsy. Lafo ny vidin’ny katsaka hatao sakafon’izy ireny ka izay no mahatonga ny fiakaran’ny vidiny. Eo koa anefa ny fahavitsian’ny akoho amidy satria saika efa voafandriky ny hotely lehibe sy ireo mpikarakara lanonana avokoa ny akoho any amin’ireo mpiompy.

Fotoana fanaovan’ny olona lanonana manomboka ny volana avrily rehefa miaka-bokatra iny ka anisan’ny mahalafo ny entana avokoa izany.

Efa somebiseby amin’ny fiatrehana ny fetin’ny Paska ny ankamaroan’ny mpiantsena. Anisan’ny fety manan-danja eo amin’ny Malagasy indrindra ny kristianina ny fetin’ny Paska ary handanian’ny tokantrano maro vola mihitsy ny sakafo atao amin’izany. Mbola hafa ny milaoka akoho amam-borona amin’ny Malagasy rehefa mifety.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.