Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analakely : jiolahy mpamerin-keloka tratra tao amin’ny pavillons

Analakely  : jiolahy mpamerin-keloka tratra tao amin’ny pavillons

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany tao amin’ny pavillons Analakely, ny alarobia 28 masa 2018  ireo andian-jiolahy (Fabien, Rafidy, Hajasoa) mpanao sinto-mahery sy harom-paosy amin’iny faritra iny. Araka ny fanazavan’ny polisy, jiolahy ikoizana ary nampitondra faisana ireo mpiantsena ao Analakely sy ny manodidina ry zalahy ireto. Maharay fitarainana isan’andro ny polisy noho ny afitsok’ireto andian-jiolahy ireto. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nilaza ry zalahy fa ireo teratany vahiny no tena anaovany izany asa ratsiny izany ankoatra ireo mpiantsena ao Analakely. Noraisim-potsiny teo am-panarahana olona saika hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ry zalahy no nifanehatra tamin’ny polisy. Nametraka paikady  manokana ny teo anivon’ny polisim-pirenena tamin’ny alalan’ireo polisy manao fanamiana sivily. Nohamafisin’ny polisy fa jiolahy efa mpamerin-keloka ry zalahy ireto satria manohy ny asa ratsiny hatrany isaky ny mivoaka ny fonja. Mbola karohina kosa ny naman’ireto jiolahy ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.