Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatovy : mandroso ny fanarenana ny toeram-pitrandrahana

Ambatovy  : mandroso ny fanarenana ny toeram-pitrandrahana

Araka ny bokin’andraikiny, adidin’ny Tetikasa Ambatovy ny manarina ny toerana avy nitrandrahany harena an-kibon’ny tany. Mandeha araka ny tokony ho izy izany, ankehitriny.

Mandroso araka ny tokony ho izy ny fambolen-kazo, hanakonana ny tany avy nitrandrahan’ny Tetikasa Ambatovy harena an-kibon’ny tany any Ambatovy Moramanga. Misy tetikasa manokana hanatanterahana izany, efa novolavolaina sy natao tato anatin’ny taona maro. Anarivony ny zana-kazo nomanina amina toerana manokana, mifanaraka amin’ny teknika amin’ny indostria. Nahomby ny andrana natao, mifanaraka amin’ny fenitry ny toe-tany  hambolena azy avy.

Nandritra ity taom-pambolen-kazo 2018 ity, maherin’ny 1.000 ny zana-kazo nambolena, ny 23 marsa teo, amin’ny velaran-tany 44.000 m2. Nahitana karazana “hazo mpitari-dalana” sy “hazo ala”.

Tsy toy ny mahazatra

Niavaka tsy toy ny mahazatra ity fambolen-kazo ity satria fanarenana ny ala sy ny zavamananaina ao aminy mihitsy. Nametrahana ny fonenana sy fieren’ny biby, hanamora sy hanafaingana ny fiverenan’izy ireo anaty ala, toy ny vorona, ny biby madinika, ny biby mandady sy mikisaka, ny bibikely, sns. Teknika natao ny fambolena karazan-kazo samy hafa faniry, ka ny hazo mpitari-dalana haingam-paniry ny hanalokaloka sy ahafahan’ny hazo ala mitombo araka ny tokony ho izy.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.