Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy mbola nivoaka ny lalàm-pifidianana : efa mihoatra ny 10 ireo kandidà filoham-pirenena

Tsy mbola nivoaka ny lalàm-pifidianana  : efa mihoatra ny 10  ireo kandidà filoham-pirenena

 Mbola eny anivon’ny Antenimieram-pirenena hatramin’izao  ilay volavolan-dalàna fehizoro mifehy ny fifidianana. Tombanana any  aorian’ny  3 avrily ny  handaniana  izany.  Efa maromaro  sahady anefa  ireo  nan ambara  ny filatsahan-kofidiny na koa efa maka bahana  sy miomana amin’izany. Anisan’ny efa nanambara izany ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Na izany aza, mbola  andrasana ao anatin’io volavolan-dalàna  io  ny mety haha  kan didà azy na  tsia. Efa ofisialy koa  ny haha  kandidà ny pasitera Mailhol.  Natolotry ny antokony, GFFM.  Manampy ireo ny avy amin’ny antoko Maeva, amin’ny alalan-dRaharimanana Mamy. Eo  koa ny antoko Vitantsika, nanolotra an-dRaharimanana Patrick .  Vao  herinandro kosa izao ny nanambaran’i José Vianey ny haha kandidà azy, atolotry ny Ram.

Telo  ireo vehivavy efa nanambara ho  kandidà

 Efa telo sahady ireo andriambavilanitra ho kandidà  ho filoham-pirenena. Anisan’izany ny avy amin’ny PSD, Bezaza Eliana  sy Ramaroson Arlette natolotry ny ANM. Farany teo, naneho fahavononana ny kandidàn’ny PLD, Rabeharisoa Saraha. Mety  hanampy ireo vehivavy ireo ilay mpanakanto, Ninie Donia. Efa nanambara ny  fahavonany ho kandidà any anaty  tambajotran-tserasera.

Anisan’n y tombanana efa ho kandidà  koa  ireo Praiminisitra telo mirahalahy,  teo aloha.  Mety hatolotry ny UNDD, Beriziky Omer. Tsy  mbola fantatra kosa ny antoko  hiaraka amin’ny Jly Ravelonarivo Jean. Manampy azy  ireo na  mbola manjavoizavo aza, ny Praiminisitra  lefitra  teo aloha,  Botozaza Pierrot. Mananontanina koa ny haha kandidà ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana  teo aloha, Robimanana Orlando

Ho kandidà tokan’ny mpanohitra Rajoelina

Mbola andrasana  kosa  ny haha kandidà ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina. Kandidà tokana  hatolotry ny Armada,  ahitana ny Mapar,  nyMalagasy miara-miainga, ny Hiaraka  isika, ny Avana ary ny Maitso hasin’i Madagasikara, miaraka amin’ny Freedom ny  tenany. Tahaka izany koa   ny filoha amperinasa, Rajaonarimampianina Hery. Hatolotry ny HVM sy  ireo vovonana na  fikambanana  manohana azy.

Araka  izany, mbola  hanao  ranolava ny fanambarana filatsahan-kofidina aorian’ny  fahalanian’ny lalàm-pifidianana. Miandry izany ny sasany vao hanapa-kevitra hiroso na tsia.

Randria

Les commentaires sont fermées.