Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy U14 – «Tournoi Ti Dock» : nahazo volafotsy i Safidisoa

Tenisy U14 – «Tournoi Ti Dock»  : nahazo volafotsy i Safidisoa

Nifarana, ny asabotsy lasa teo, tatsy La Réunion ny fifaninanana «Tournoi Ti Dock», ho an’ny sokajy U14. Resy teo amin’ny famaranana, ho an’ny vehivavy, i Safidisoa Nomenjanahary. Lavon’i Sarah Iliev, mpilalaon’ny TCP Ostwald, Grand Est, Frantsa, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 6/1), izy. Nahazo ny medaly volafotsy, izany ny tovovavy.

Ankoatra izay, nitohy tao Petroria Afrika Atsimo, ny fifaninanana “ITF/Cat Grade 1”. Resy teo amin’ny fihodinana faharoa, ireo solontena malagasy. Teo amin’ny vehivavy, lavon’ilay Maraokanina,  Yasmine Kabbaj, tamin’ny seta 2 no ho 1 (1/4 ; 4/1 ; 10/8), i Yalle ary niondrika teo anatrehan’i Manal Ennaciri, tamin’ny seta 2 no ho 1 (1/4 ; 4/2 ; 10/5) i Miotisoa. Resin’ilay Tonizianina, Ghaida Jeribi tamin’ny seta 2 no ho 0 (0/4 . 0/4), i Maholy.

Ankoatra izay, samy resy teo amin’ny lalao voalohany ny olon-droa vavy sy lahy nisy an’i Yaelle sy i Maholy, izay lavon’ireo Zimbaboeanina, Claire Machiso sy Nicole Matukutire. Toy izany koa i Angy sy i Sampras, raha nifandona tamin’ireo Maraokanina, Hamza El Amine sy Mohammed Amine Hamoi.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.