Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny amiraly Ratsiraka tsy nangalatra izahay”

Ny amiraly Ratsiraka   tsy nangalatra izahay”

Niaro ny fitondrany ary nilaza ho afa-po ny fitantanany ny firenena ny amiraly Ratsiraka tamin’ny fankalazana ny faha-42  taon’ny antoko  Arema, tetsy amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny asabotsy teo. “40 taorian’ny mariazy izahay mivady vao nahavita ny trano ao Ambodiatafana. Amin’ny fomba ahoana ny ilazana fa nangalatra izahay ? Tsy manana fiara 4 x 4  izahay ary tsy nangalatra fananam-panjakana. Nivarotra fananana aza tamin’ny taona 2015 nanaovana ny fampihavanam-pirenena”, hoy izy tamin’ny lahateniny. Notsiahiviny fa maro ireo mpianatra nalefany nandranto fianarana tany ivelany na efa tsy teo amin’ny fitondrana  intsony aza  ny tenany. “Niantoka ireo mpianatra maherin’ny 75 izahay.  Manana “doctorat d’Etat.  Nivoaka injeniera, dokotera sy ny sisa  izy ireo. Tsy mba misy miteny anefa izany.  Betsaka  ny asa nataon’ny Arema teto amin’ity firenena ity”, hoy ihany i Deba. Momba ny fiainam-pirenena kosa, nambarany fa anisan’ny vahaolana ny fampihavanam-pirenena. Nohitsiny koa fa azo atao ny mampandroso an’i  Madagasikara raha mifanaraka ny rehetra.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.