Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanao atrikasa ireo mpampianatra zaitra

Nanao atrikasa ireo mpampianatra zaitra

Hampiakarana bebe kokoa ny lentan’ny zaitra sy ny  lamaody. Niakatra teto an-dRenivohitra avokoa ireo mpampianata momba izany, miisa  24 avy any amin’ny faritra nanampy ny traikefany, tamin’ny alalan’ny atrikasa. « Nampiana sy  novelarina kokoa  ny lesona sy ny  fahaiza-manao mba hampitaina amin’ireo mpiofana sy mpianatra manerana ny Nosy .  Mivoatra hatrany ny  tontolon’ny lamaody noho ny fandrosoana ka ilaina  hatrany ny fanatsarana », hoy ny talen’ny sekoly  Eccova, Razanamanalina Volana, tetsy Analakely, ny faran’ny herinandro  teo. Nampitaina  mivantana tamin ‘ireo mpiofana ny fivoaran’ny tontolon’ny lamaody sy ny zaitra. Hoentin’izy ireo hampitaina any amin’ireo mpianatra izany avy eo. « Misy rahateo ny  fanaraha-maso mba hitovy  avokoa ny  fandraisana sy ny fampitana ireo toromarika nomena mba  hampiakarana  ny kalitao ho ambony kokoa sy ny traikefa”, hoy ihany  izy.

Tsiahivina fa mivelatra amin’ny poketra sy kiraro koa  ny eo anivon’iry sekoly ity amin’izao fotoana izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.