Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra : nanehoan’i CR7 ny fahaizany ny Egyptianina

Kitra  : nanehoan’i CR7 ny fahaizany ny Egyptianina

Niatrika lalao fihantsiana, tamin’i Portugal ny zoma lasa teo, ny Faraonan’i Egypta, ho fanomanan’izy ireo ny «Mondial 2018». Fihaonana notanterahina tany Zurich. Nanehoan’i CR7 ny fahaizany indray teto ny Egyptianina. Nitarika, tamin’ny isa 1 no ho 0 mantsy ny Egyptianina, hatreo amin’ny 90 mn nilalaovana. Baolina tafiditr’i Mohamed Salah, teo amin’ny minitra faha-56. Nihevitra ry zareo Faraona, fa tafita izy ireo kanjo nahafaty baolina roa i Cristiano Ronaldo, tany amin’ny fanampim-potoana (90 + 2 mn ; 90 + 4 mn). Tena ao anatin’ny heriny tanteraka ankehitriny ity kintan’ny baolina kitra portiogey ity, satria nahatafiditra baolina hatrany ny lehilahy, tamin’ireo lalao valo, nataony niaraka tamin’ny ekipam-pireneny. Baolina 81 no efa tafidiny hatramin’izay nilalaovany tao amin’i Portugal. Tetsy ankilany, resin’i Arzantina, tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0 ny Squadra Azzura-n’i Italia. Lalao natao tao Manchester, Angletera. Marihina fa tsy nilalao tamin’io i Messi.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.