Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indroa hipoka Antsahamanitra : nahavita fanamby iray indray ry AmbondronA

Indroa hipoka Antsahamanitra  : nahavita fanamby iray indray ry AmbondronA

 Tsy amin’ny maha ankatoky ny fetin’ny Paska ny fotoana fa marobe ireo hetsika ara-javakanto, tamin’iny faran’ny herinandro iny. Azo lazaina ho nisongadina tamin’ireny ny nokarakarain’ny tarika AmbondronA, tetsy Antsahamanitra.

Indroa nisesy, efa-taona sy roa taona teo ho eo lasa izay, nampitolagaga ny zava-bitan’ny AmbondronA. Tamin’izany fotoana izany, izy ihany ny tarika nandeha irery tao amin’ny Coliseum Antsonjombe ary nahafeno izany tanteraka. Raitra dia raitra ny tolotra nanomezana fahafaham-po ny vahoaka, tamin’ireo.

Tamin’iny faran’ny herinandro iny indray, nanolotra fampisehoana indroa nisesy, ny asabotsy sy omaly tolakandro, tetsy Antsahamanitra izy dimy mirahalahy. Mbola tratra ihany koa ny tanjona, satria, nandritra ireo fotoana roa ireo, nifampitakosina ny mpijery, tonga namaly ny antso, nankafy ny mozikan’izy ireo.

Azo lazaina ho afa-po ny mpankafy, raha ny fandaharan-kira nomanin-dry Beranto, nandritra ireo seho roa. Marobe ireo hira nampiakatra ny lazan’ny tarika, tany am-piandohana, toy ny “Nivadika”, “Tena fitia”, “Fito andro”, “Eny sa tsia”, sns, nentina an-tsehatra indray. Tsy latsa-danja amin’izany koa ireo hira nambabo ny taranaka taty aoriana. Fanampin’izany, hita ho efa ankafizin’ny maro sahady ireo vokatra  vaovao, toy ny “Maraina vao”, nivoaka horonantsary, tsy ela akory izay.

Toy ny fahita hatramin’izay niakaran-dry AmbondronA an-tsehatra lehibe, nafana foana ny fety raha vao namaky sehatra fotsiny izy ireo. Ny indrokely, tamin’iny hetsika roa iny, ny fahamaroan’ny olona, izay tsy nahatombina teo am-pitoerana mihitsy, ka nanahirana ireo ankohonana, nitondra ankizy madinika. Araka izany, tsy vitsy ireo miandrandra fampisehoana eny amin’ny Coliseum, toerana lehibe kokoa.

Na izany aza anefa, na efa maty aza ny masoandro, mbola marobe hatrany ireo mpankafy niandry ny fiafaran’ny seho, ny asabotsy teo sy omaly.

Landy R. 

 

Les commentaires sont fermées.