Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fenoarivo : dahalo raindahiny tratran’ny zandary

Fenoarivo  : dahalo raindahiny tratran’ny zandary

Dahalo iray antsoina hoe Mboly, tratra tany Fenoarivo Ambatofinandrahana, ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa dahalo raindahiny izy io izao tratra izao, ary nitondra basy Mass 36 iray. Nifampitifitra tamin’ny fokonolona mpanara-dia sy ny zandary izy. Tafasaraka tamin’ny namany anefa izy nandritra ny fifanenjehana ka izay ny nahatrarana azy. Nisitrika tany an-tranon’olona izy, ka nodoran’ny mpanara-dia ilay trano ary nivoaka mora foana tao ity dahalo ity. Notanana ary hatao famotorana avy hatrany.

Nisehona asan-dahalo ihany koa tany Antsarika, kaominina Ebelo, distrika Amboasary Atsimo, ny asabotsy teo tamin’ny 2 ora maraina. Dahalo efa 70 nanafika, izay voalazan’ny zandary fa nitondra basim-borona miisa 50. Nifandona tamin’ny fokonolona sy ny zandary ireo avy eo. Vokatr’izay, nisy dahalo telo sy vehivavy iray tamin’ireo fokonolona maty. Nitari-dositra ireo dahalo taorian’izay ka nandoro tanàna. Trano 25 may kila forehitra tamin’izany. Nisy avy eo ny fiverenan’ny dahalo tampoka tany Antsarika, kanefa efa nivonona ny fokonolona sy ny zandary ka nandamoaka ny fanafihana. Mitohy ny fanaraha-dia.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.