Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – «Play-off 2018» : lasan’ny MB2 All ny laharana fahatelo

Basikety – «Play-off 2018»  : lasan’ny MB2 All ny laharana fahatelo

Nifarana, omaly, tany Toliara ny fiadiana ny “Play-off”, taranja basikety. Lasan’ny ekipan’ny MB2 All ny laharana fahatelo, rehefa nandresy ny ekipan’ny Cosfa, tamin’ny isa, 99 no ho 95 izy ireo. Fihaonana niady satria ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta satria samy avy amin’ny ligin’Analamanga avokoa. Nifandimbiasana ny nitarika ny isa teny amin’ny solaitrabe, teo amin’ireo tapa-potoana efatra nilalaovana. Nampitsanga-mitoetra ireo mpijery ny endri-dalao, nasehon’ny andaniny sy ny ankilany. Ny baolina tsy matin’ny Cosfa, ka nivadika ho valim-panafihana, ho an’ny MB2 All, no nahazoan’izy ireo ny fandresena. Marihina fa efa nitarika an’isa, 48 no ho 35 ny MB2 All, teo am-pialan-tsasatra.

Niady ny famaranana, ho an’ity “Play-off” ity kosa ny Cosmos Diana sy ny Cospn Analamanga.

Miakatra ao amin’ny sokajy N1A, amin’ny taom-pilalaovana manaraka ny Sebam Boeny, nitana ny laharana fahadimy, rehefa nandresy ny USF Matsiatra Ambony, tamin’ny isa, 84 no ho 71 sy ny MB2 All, laharana fahatelo. Hitohy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny filoha, indray ny dingana manaraka. Fihaonana hotontosaina etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena, ny 8 ka hatramin’ny 15 avrily, ho avy izao.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.