Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andiany faha-13 : ho any Toamasina sy Mahajanga Ny Asako rahampitso

Andiany faha-13  : ho any Toamasina sy Mahajanga Ny Asako rahampitso

Rahampitso no hontanterahina ny hetsika « Ny asako rahampitso » any Toamasina sy Mahajanga andiany faha-13 eny anivon’ny lycée roa. Iarahana amin’ny fikambanana Rotary club any amin’ny faritany roa iasana ny fikarakarana ny fizarana any amin’ny lycée Philbert Tsiranana sy Jean Rabemananjara. Ho an’ny teto Antananarivo sy Antsirabe, mpianatra 5 441 (avy amin’ny kilasy 2nde 104) no nampahafantarina sokajinasa maro ho fanampiana azy ireo hisafidy ny sokajy mifanaraka amin’ny asa tiany hatao any aoriana.

“Nitombo ho 5 400 ny isan’ny mpianatra niantefan’ny fizarana ho an’ny andiany faha-13 raha 4 000 ho an’ny andiany faha-12”, hoy ny filohan’ny Rotary Antananarivo Ainga, Ravalisaona Elyette, ny faran’ny herinandro teo. Nanana anjara andraikitra lehibe ireo mpisehatra nanaiky ny hitondra ny fahalalany sy ny traikefany ho an’ny mpianatra. Notolorana taratasy fanamarinana ny fankasitrahana azy ireo rahateo izy ireo nandritra ny famaranana ny hetsika teny amin’ny lycée Ampefiloha. Naharitra hefarana “Ny asako rahampitso” teto Antananarivo sy Antsirabe. Nahazo fanamarihana fankasitrahana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, ny Rotary Ainga sy ny Rotaract Faneva mpiray dia aminy. Nanome izany ny tale misahana ny tantsoroka sy ny fitsirihana pegadojika ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Randrianarison Prisca.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.