Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatonapoaka : namboly hazo ny mpitatitra miray hina

Ambatonapoaka  : namboly hazo ny mpitatitra miray hina

Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatonapoaka Arivonimamo ny mpitatitra miray hina, ny asabotsy teo. Nahitana ireo fikambanan’ny mpitatitra rehetra toy ny kamiao, ny taksiborosy rehetra, hatramin’ny taxi. Zana-kazo 2.000 no natsatoka teny Ambatonapoaka tamin’ny tany efa nokarakaraina sy natokana ho an’ny mpitatitra. Hetsika fanao isan-taona izy ity, ary ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nanamafy izany ny filohan’ny ATTR, ny jeneraly Rakotondrazaka Andry, fa fambolen-kazo natao iarovana ny tontolo iainana ity, ary eo ihany koa ny firaisan-kina amin’ny samy mpitatitra.

Resaka nandalo ihany ny momba ny olan’ny mpitatitra amin’izao manoloana ny fikatonan’ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Miteraka fatiantoka ho an’ireo mpitatitra, indrindra fa ireo kamiao izany. Nitohy tamin’ny lanonana ity fambolen-kazo ity.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.