Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohidratrimo : «carrière » nihotsoka nahafaty olona iray

Toeram-pitrandrahana vato iray no nihotsaka teny Mandrosoa Anosiala Ambohidratrimo ny asabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. Nifatratra tamina tovolahy iray 20 taona izany, ka nitarika ny fahafatesany. Mpiasa ao amin’ity toerana ity ilay tovolahy io. Voalaza fa nokarohin’ny olona tao ambany vato mihitsy izy vao hita, siangy efa tsy nisy aina intsony. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fanamarinana ary natolotra ny fianakaviana ny razana. Misokatra ihany ny famotorana manodidina ity tranga ity.

Tsy nisy ny fanazavana momba ny antony nampihotsaka ny vato. Tranga mpiseho tato ho ato kosa anefa noho ny fahabetsahan’ny rotsak’orana amin’izao fotoam-pahavaratra sy rivodoza izao. Tranga mitovitovy amin’izao ihany no nitranga teny Ambonin’Ampamarinana ka nitarika tamin’ny fianjerana vatobe tamina fianakaviana iray, ka nahafaty azy ireo. Ny fahamailoan’ny rehetra manampy ihany amin’ny fisorohana ny loza. Fanaraha-maso ny trano mivava, ny tany ahina hihotsaka sns.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.