Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampefiloha : voasambotry ny polisy i Petit

Ampefiloha  : voasambotry ny polisy i Petit

Jiolahy iray antsoina hoe i Petit, 28 taona no nifanehatra tamin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahefatra eny Isotry, omaly rehefa avy nifanenjehana hatreny Ampefiloha ary nifarana teny amin’ny Cenam Andavamamba. Avy nanendaka teny Ampefiloha ity jiolahy ity ka nitsoaka tamin’ny moto. Nahazo antso avy amin’ny polisy ny “compagnie urbaine de la circulation”, fa nisy olona niharan’ny herisetran’ity jiolahy ity ka nirifitra nitsoaka tamin’ny moto izy rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Nanome toromarika avy hatrany ireo polisy rehetra miasa amin’iny lalana mety handalovan’ity jiolahy ity ny lehiben’ny kaomisaria. Nametraka ny vela-pandrika ny polisy ka tratra teny amin’ny faritra Cenam Andavamamba ilay jiolahy. Mbola tratra teny aminy ny poketra misy antontan-taratasy marobe. Tsy nahitana taratasy momba ilay moto kosa teny aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany ity jiolahy. Miha avolenta hatrany ny asan-jiolahy amin’izao satria mampiasa moto sy mitondra fiara mihitsy. Misy aza tsy ampoizina ho jiolahy raha tazanina amin’ny endrika ivelany.

J.C

Les commentaires sont fermées.