Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasan’ny filoham-pirenena etsy Anosy : «tsy mandà fanatsarana saingy aleo mifanaja», hoy ny CUA

Tetikasan’ny filoham-pirenena etsy Anosy : «tsy mandà fanatsarana saingy aleo mifanaja», hoy ny CUA

 Nanao valan-dresaka  tamin’ny mpanao gazety ny sekretera jeneralin’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Razafimahefa Heriniaina, omaly, tetsy Analakely.  Nitondrany fanazavana ny momba ny tany etsy Anosy, hanaovan’ny fitondrana ny  tetikasan’ny filoham-pirenena.

 Tompon-trano mihono  tanteraka. Manamafy izahay fa tsy sarotiny amin’ny fanatsarana kasain’ny fanjakana hatao ny tomponandrainkitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tarihin’ny ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao. Tokony hisy kosa anefa ny fanajana…”, hoy ity tompon’andraikitry ny CUA ity.  Nohamafisiny   fa misy ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ ny tanàna ary manana ny satany Antananarivo Renivohitra ka tokony hisy ihany ny fifanajana sy ny fifampiresahana raha misy ny  tian’ny fanjakana foibe atao eto an-dRenivohitra. “An’ny kaominina ary misoratra aminy rahareo  ny tany. Gaga anefa izahay  mpitantana ny Tanànan’Antananarivo manoloana ireo   famefena sy fanaovana ny fotodrafitrasa tsy misy fifampiresahana sy fampilazana ataon’ny fanjakana. Aminay, midika tsy fanajana tanteraka izany” , hoy ihany izy.

Tsiahivina fa efa nivoaka amin’ ny  fanginany noho ny ambaaran’izy ireo ho barofo sy tsindrihazolena ireo mpivarotra  eo Anosy. “Tsy ara-dalàna ny fanalana anay mpivarotra sy ny famefena ary koa ny fandravana ny fivarotanay eto… Efa nampiakatra ny  raharaha izahay ka tokony hiato izany aloha…”, hoy ny mpisolovava Rabemarija Olivier Edouard,  ny alatsinainy teo. Niroso amin’ny fandravana sy famefena ny toerana etsy amin’ny fiantsonan’ny taxibe, Anosy ihany anefa ny minisiteran’ny Fanajariana ny tanàna sy ny tetikasan’ny filoham-pirenena  (M2pate), hanao ilay tetikasan’ny filoham-pirenena,  hanamboarana zaridaina eo.

Didy jadona sy amboletra, tsy misy fifanajana

 Voailika ireo trano fivarotana maromaro  sy ireo  mpivarotra fiara.   “Nahazo alalana amin’ny  CUA izahay ary nahaloa ny vola rehetra takina amin’izany nefa izao tapahina izao ny fivelomanay”, hoy  izy ireo. Nampiasa volabe sy mpiasa ary fitaovana amin’ny maha fivelomana izany. Tsy maintsy miala eo anefa noho ny fihetsiky ny fanjakana. “Tsy misy fijerena ny maha olona na fifanajana sy fifampiresahana fa didy jadona fotsiny tsotra izao. Tsy manda ny tetikasa izahay  saingy tokony hifanaja”, hoy ihany izy ireo. Nambaran’ireto mpivarotra  ireto fa tsy tokony ho  tafiditra amin’io  tetikasa io ny tsenan’izy  ireo. Vonona ny hanatsarana izany, mba hifanaraka amin’ny fepetra takina koa izy ireo ka mba tokony havela hijanona eo. Tsy nihemotra anefa ny M2pate fa hiroso hatrany. “Tokony hiato avokoa izao ataon-dry zareo izao raha  tena tan-dalàna isika. Tsy nofoanany ny fanomezan-dalana nomen’ny CUA. Efa any amin’ ny fitsarana koa ny raharaha nefa mitohy ny amboletra sy  tsy fanajana lalàna”, hoy izy ireo.

Randria

Une réponse à "Tetikasan’ny filoham-pirenena etsy Anosy : «tsy mandà fanatsarana saingy aleo mifanaja», hoy ny CUA"

  1. bordeaux33000  03/02/2018 à 20:21

    Na hanamboatra building 30 antampontanana n Antananarivo NY hvm Gaza mandany vola hisehoseho Joe nia sa sy nahavita.tsy azonareo hvm na oviana na oviana NY FO NY NY vahoakan i Antananarivo raha NY fahitako azy.faha 3 am numéro 3 nareo ihany ni laharana misy NY toeranareo. 1 ravalo. Lany la lao. 2 miss la y nitohanan NY rajoelina.le vrais 3 ! Frère. 3 NY hvm.hala bâti ahalany NY hvm raha lany eo.ada la vé vahoakan Antananarivo mahita kolikoly ataon NY mpitsara sy huissier tsy manaja zo n olom belona na dia iray? MBA aza ianao ry minisitrin NY mponina MBA zanatanin antanananarivo vé anao mahitz mpiara belona aminao tant nivolavolain olona t ampolon NY taona maro? Tonga NY 4em république NY franc maçon? Jerenao fotsiny l’est ry onitiana mpiara belona aminao ravana trano izay nandaniana vola nanamboatra NY trano sy nikarakara taratasy misy NY UEFA mana taratasintany mazava t ampolon NY taona maro ? Ravana dans une heure de temp?mampalahelo NY ataon ery ireto amin NY mana tour fampanankarena ireto.samy mana à tour anime izy ty e.São tour NY hvm photocopieuse idray ni mangoron karena.mahareta ry vahoaka fa misy farany raha jiaby eeeeeh.misy NY milaza hoe TS mahazo milatsaka ho fidina hono i rajoelina. Tadremo fa mamitaka NY tenanareo ihany ianareo hvm raha TS avelanareo hilatsaka i rajoelina.met y ho 5 taona ihany ianareo hvm eo am fitonsrana na 6 taona satria faha 6 taona hitondrasanareo dia ho voafidy ianareo nefa met y ho la y am n alabato.izany ni hiavian NY crise am 2019 satria tsi hanai’y n iza niza na emoregue 100 camion havoaka am la caserne hilaza hiaro olona hitondra la y am alabato fa tsis hanaiky eo na am tomba ahoana na a
    Am tomba ahoana fa UEFA TS filoha intsony i rahery refa la matra pialana fa UEFA mitovy am civile izy fa NY TS hitovizana fotsiny dia civile manana vola eFA mi déborde vola am conte bancaire fa voahoriny daholo NY harem pirenena.la met y ho 5 taona na mahery Kelly hvm eo. TS avela hilatsaka i rajoelina.OK.!!!! Tandremo fa voafitaka NY tenanareo ianareo hvm. NY la lana dia 2 mandat .10 ans izany .OK. Fa tandremo fa hitondra 20 ans i rajoelina. Ho ripaka am fitondrana ianareo rehetra mitonra ao am hvm et Madagascar. Adala angamba ranamana manoratra ity angamba hoy anao. Non TS adala aho. 20 taona i rajoelina eo am fitondrana hoy aho fa mitandrema ianareo hvm milaza fa TS hanaiky i rajoelina TS hilatsaka.mitandrema. TS ho hisy coup d état et. Tsis fianakavian iraisampirenenaa haetraka Joe ity atao filoha .fa après fifidianana miteny aho hoe 20 taona izy eo.

Les commentaires sont fermées.