Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

RN 1 – Beteza : sprinter nivadika, olona iray maty

RN 1 – Beteza : sprinter nivadika, olona iray maty

Nitrangana lozam-piarakodia indray tao Beteza amin’ny RN 1, eo amin’ny 1 km mialoha ny hidirana ny tanànan’Analavory raha avy any Tsiroanomandidy, omaly, tamin’ny 4 ora maraina. Araka ny fanazavana avy any an-toerana, fiara taksiborosy iray avy any Tsiroanomandidy hiakatra aty an-dRenivohitra no tra-doza tampoka. Vokany, ankizikely 6 taona iray namoy ny ainy raha olona maromaro kosa naratra tao amin’ilay taksiborosy. Nentina haingana namonjy hopitaly ireo naratra. Voalaza fa hoe nalama ny lalana ka izay no antony nahatonga ny loza.

Naratra mafy koa ny mpamily mpanampy sy ny mpamilin’ilay kamiaobe nivadika tao Toamasina, omaly. Potipotika tsy nisy noraisina ny lohan’ilay kamiaobe. Tsy fantatra kosa ny antony nahatonga ny loza. Mitohy ny famotoran’ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.