Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ombivavy sy zanak’omby : azo ny tantsaha atao ny mifampivarotra raha hiompy

Ombivavy sy zanak’omby :  azo ny tantsaha atao ny mifampivarotra raha hiompy

Nitondra fanazavana ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Randriarimanana Harison mikasika ny lalàna (lah : 22804/2017, ny 12 septambra 2017) mandrara vonjimaika ny fivezivezena, ny varotra ifotony ary ny famonoana ny ombivavy sy ny zanak’omby, sy ny fivarotana sy fitaterana ny henan’ny ombivavy sy ny zanak’omby. Nambarany fa tsy azo atao ny mivarotra ireo sokajin’omby ireo eny amin’ny tsenan’omby handeha hovonoina ka hamidy ny henany. Nomarihiny kosa fa nahitsy io lalàna io, ka azo atao ny fifampivarotana eo amin’ny samy tantsaha, izany hoe, ombivavy na zanak’omby hompiana, hampitomboina taranaka.

Mila hamafisin’ny fanjakana ny fampahafantarana io fanitsiana io, indrindra any ambanivohitra, isorohana ny fisolokiana, na fanararaotana mety hataon’ny tompon’andraikitra na sokajin’olona samihafa. Anisan’ny antony ny fikarakarana ny taratasin’omby amin’ny fifampivarotana sy ny fanaovana vaksiny.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.