Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niorina ny ONG Mafi : hapetraka ny fandriampahalemana ao Manarintsoa Afovoany

Niorina ny ONG Mafi : hapetraka ny fandriampahalemana ao Manarintsoa Afovoany

Fokontany anjakan’ny tsy fandriampahalemana i Manarintsoa Afovoany satria 20 ny tranga ahazoan’ny mpitantana ny fokontany fitarainana isan-kerinandro, araka ny nambaran’ny vaomieran’ny fandriampahalemana, Rakotomihaja Guy, omaly teny an-toerana. Tafalatsaka afovoany ny fokontany ary feno elakela-trano marobe azon’ny jiolahy mpanao sinto-mahery sy halatra itsoahana rehefa vitany ny asa ratsiny. “Manana vaomiera misy mpikambana 10 ny fandriampahalemana mijery ny filaminana, saingy tsy manana fitaovana enti-miasa ka mandringa ihany ny asa”, hoy ny fanazavany. Ny mpiara-monina rahateo, sahirana ka tsy azo antenaina hanome vola entina hanohanana ny andrimasom-pokonolona. Andraikitra iray laharam-pahamehana ny fijoroan’ny ONG Miombona antoka ho fampandrosoana (Mafi) ao Manarintsoa Afovoany, niorina ny volana oktobra 2017.

“Ampandraisina andraikitra mivantana ny mponina fa tsy tolorana fanampiana na zavatra hafa toy ny mahazatra”, hoy ny filohan’ny ONG, Ravelojaona Viviane. Tanjona ny hanatsarana ny fiainan’ny mponina ary atao mipaka amin’ny isam-batan’olona mihitsy. Eo ny fanabeazana ny mpiray monina hitandro ny fiarahamonina ary koa ny tantsoroka hanomezana vahaolana amin’ny vondron’olona manana olana iraisana. Ohatra, ny mpanao asa tanana azo hitadivana lalam-barotra na akora fototra iasany raha izay ny olana eo aminy. Momba ny fandriampahalemana, hapetraka ny vavahady amin’ny elakela-trano ary miasa na andro na alina ny andrimasom-pokonolona.

Miantso fiaraha-miasa ny mpikambana ao amin’ny ONG ary misokatra amin’ny rehetra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.