Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitondra faisana hatramin’ny tsy manan-tsiny : zazalahikely vao 12 taona maty novonoin’ny dahalo

Mitondra faisana hatramin’ny tsy manan-tsiny : zazalahikely vao 12 taona maty novonoin’ny dahalo

Mirongatra ny halatra omby any amin’ny kaominina ambanivohitra maromaro ao Ambatondrazaka, nandritra ny herinandro farany tamin’ny volana janoary teo.  Tao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana, zava-doza maromaro ny nitranga, araka ny fanambaran’ny ben’ny Tanàna, Rabeharimanana Pascal. Ankizikely 12 taona niandry omby, maty  novonoin’ireo dahalo nangalatra  ny ombiny, andro atoandrobe izao.  “ Tsy milamina ! ”. Io tenin’ny ben’ny Tanànan’i Feramanga-Avaratra, 5 km avaratr’Ambatondrazaka. Mirongatra ihany koa halatra omby any amin’iny faritra iny. Vaky vala roa no niseho, ka lasan’ny dahalo ny omby 34.

Mety ny fametrahana “poste fixe” any amin’ireo toerana ireo. Miaraka amin’ny zandary ny  fokonolona, sahy manara-dia ny omby very. Rehefa natao ny fanarahan-dia, tamin’ireo omby 20 very tao Jiapasika, hita ny sivy, dimy maty nokapain’ny olon-dratsy teny ampandosirana ; tafaverina daholo ireo omby 20 nisy nangalatra tao Mahatsinjo.  Herinandro iray nisehon’ireo rehetra ireo. Manao andiany, hatrany amin’ny 20 ireo dahalo, manafika sy mampihorohoro.

Lahy sy vavy mpamaky trano

Ao koa ireo mpamaky trano efa manana fomba fiasa maty paika. 10 mianadahy izy ireo, azon’ny polisin’Ambatondrazaka. Ny vehivavy mpikaroka ny trano hotafihina ; ny lehilahy mitondra fitaovana famakian-trano. Rehefa mirotsaka ny orana ka mipoapoaka ny kotroka, eo ry zalahy no manao ny asa ratsiny. Tovolahy iray, nandeha taxi-moto, nivatsy basy roa sy bala ary famaky, hita tao anaty sakaosiny rehefa nosavain’ny polisy.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.