Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Harena an-kibon’ny tany : hitrandraka eto amintsika ny orinasa Hola sy Alpha Madagascar

Harena an-kibon’ny tany : hitrandraka eto amintsika ny orinasa Hola sy Alpha Madagascar

Anisan’ny hitrandraka harena an-kibon’ny tany eto amintsika ny orinasa Hola sy Alpha Madagascar. Araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra amin’ireto orinasa ireto, Atoa Evegny Plekhanov sy i Mikhail Chernin, orinasa malagasy efa niasa teto an-taony maro ireo fa misy kosa ny tetikasa vaovao iarahan’ny orinasa sy ny plateforme Blockcheyn, izay orinasa vahiny mpampiasa vola eto amintsika. Efa mandeha ny tetikasa rehetra amin’izao fotana izao, ary efa mametraka izany amin’ny faritra maromaro toa an’i Tratrambolo Ankadivory faritra Vakinankaratra, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa ary Ampanihy Toliara.

Ankoatra ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, milaza fa misehatra eo anivon’ny fambolena ihany koa ny orinasa. “Miara-miasa amin’ny fanjakana izahay, ary mpampiasa vola vonona hampandroso an’i Madagasikara. Ilain’ny toekarena eto ny fisian’ny mpampiasa vola ary entanina ny fanjakana mba hanampy sy hiaro azy ireo amin’ny asa ataony”, hoy ny fanazavan’ireo tompon’andraikitry ny orinasa Hola sy Alpha Madagascar.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.