Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fetin’ny mpifankatia : mivoatra ny fanomezana ifanoloran’ny olon-droa

Fetin’ny mpifankatia : mivoatra ny fanomezana ifanoloran’ny olon-droa

Manamarika ny andron’ny mpifankatia ny Malagasy rehefa 14 febroary. Fitadiavam-bola ho an’ireo mpivarotra ihany koa izany. Efa tazana eny an-tsena sy tranombarotra ny karazana fanomezana hisafidian’ireo mpifankatia.

Mivoatra manaraka ny toetrandro ihany koa izy ireny. Anisan’ny tsy mbola fahita kanefa lasa anaovana dokambarotra be ireo karazana fitaovana ampiasaina hampiakarana ny  fahafinaretan’ny nofo. Malaza rahateo ny horonantsarimihetsika vaovao hivoaka any ivelany ary tsy maintsy ho tonga eto Madagasikara misy izany karazana fitaovana izany.

Ankoatra izany ny atin’akanjo na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy, manaitaitra ny filana ara-nofo.

Tsikaritra indrindra koa ny kojakoja ho an’ireo mitovy fananahana mifankatia izay efa mahazo sehatra eto Madagasikara. Tsy miafina intsony ny fivarotana ireny fitaovana ireny fa efa miharihary hitan’ny rehetra. Tsy misy henatra intsony koa ny fividianana azy fa tena feno fahasahiana ireo mpanjifa.

Mbola malaza ny peratra asiana soratra mirakitra ny anaran’ny olon-tiana. Ny fitoerana lakile misy sary fo sy azo asiana ny sarin’ny mpifankatia miaraka. Misy koa ny akanjo misy ny anaran’ny olon-tiana na manamarika ny fotoana tsara ho an’ny olon-droa….

Etsy andaniny, betsaka ny karazana tolotra ataon’ireo trano fandraisam-bahiny ho an’ny olon-droa mpifankatia.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.