Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanadinam-panjakana sy ny JMJ Mada : notsikerain’ny katolika ny minisiteran’ny Fanabeazana

Fanadinam-panjakana sy ny JMJ Mada : notsikerain’ny  katolika ny minisiteran’ny  Fanabeazana

Mitohy ny disasisa  eo amin’ny fiangonana katolika  (Ekar)  sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.  Tsy  azoazon’ireo eveka ny daty samihafa navoakan’ny fanjakana tato ho ato manoloana ny laminasa  efa napetraky ny fiangonana.

 Tokony ho nifampidinihana na nakana hevitra ? Nambaran’ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Razanakolona Odon, sy ny avy any Fianarantsoa,  ny Mgr Rabemahalafy Fulgence fa mifanindry amin’ny “Andron’ny tanora”  JMJ Mada andiany fahasivy, hatao any Mahajanga ny nampihemorana ny fanadinam-panjakana  CEPE. Tahaka izany koa ny mety hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany raha hotanterahina ny faramparan’ny volana  novambra,  indrindra fa andro alahady  satria fankalazana sy  fanamarihana ny fetin’i Ikritsy Mpanjaka izany. Niaraka nanamarika  ny fifampiarahabana ho an’ny oloben’i Fianarantsoa tao Antanana Ambony izy ireo,  notronin’ireo  tompon’andraikitra isan-tokony ary koa ny fiangonana hafa ny  26 janoary teo.

Ankoatra  izany, tsy levon’ny vavonin’ireto eveka ireto ny fanilikilihana ny sahirana sy ny mahantra. Hita  taratra izany  tamin’n y fandalovan’ny filoham-pirenena sy ny lehiben’ny governemanta tany an-toerana  ka nandravana ireo trano tsizarizary nipetrahan’ireo 4-mis teo amin’ny manodidina ny kianjan’Ampasambazaha sy ny  faritra hafa.

Vahaolana maharitra fa tsy fanilikilihana

 Mbola niverina indray koa izany tamin’izao lanonana  tsotra tany an-toerana izao, tamin’ny fanalana azy ireo. “Aoka  hotsinjovina ny maha olona sy ny fahasahiranan’izy ireo.  Tokony hitadiavana vahaolana fa tsy hahilikilika  tahaka izao”, hoy ny eveka.

Tsy  vao izao ny ady mangatsiaka eo amin’ ny Ekar sy ny fanjakana. Teo, ohatra, ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny  ampahany amin’ny teti-pivoarana  ho an’ny fanabeazana (PSE).  Ny  nidiran’ny mpianatry ny Ekar mialoha ny daty  nomen’ny fanjakana tamin’ireny andron’ny pesta ireny…

Randria

 

Les commentaires sont fermées.