Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampandrosoana ifotony : hatsangana ny AMGT

Fampandrosoana ifotony : hatsangana  ny AMGT

Nifampiarahaba tratry ny taona 2018 tao Faravohitra, trano fonenan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ravalomanana Lalao, ireo ben’ny Tanàna mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna sy ny manodidina – Grand Tana (AMGT).  Nisy ny dinidinika sy fifampiresahana nijerena ny tombontsoa iombonana ho an’ny tanàna tsirairay sy ny mahasoa amin’ny fampandrosoana tiana hapetraka. Tapaka nandritra ny fihaonana fa hatsangana ho ofisialy sy ho ara-dalàna ny AMGT hahafahana mahazo famatsiambola mivantana avy amin’ny CGLU (Cités et gouvernements locaux Unis). Hisy  famatsiambola hatramin’ny 500 tapitrisa dolara hatokana ho an’ny kaominina sy ny tanàn-dehibe aty Afrika amin’ity taona 2018 ity. « Afaka mijery miaraka ny olana mianjady amin’ny tanàna tsirairay rehefa ao anaty fikambanana ireo ben’ny Tanàna. Hisy ihany koa fanofanana momba ny fitantanam-bola sy ny resaka fampidiran-ketra homena ireo ben’ny Tanàna mpikambana »,  hoy  ny lefitra voalohan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo,  Andriamoarasata Julien.  Nofaranana tamin’ny fambolen-kazo sy fiarahana misakafo izany avy eo. Tsiahivina fa mitarika ny AMGT, Ravalomanana Lalao ary ahitana ben’ny Tanàna avy amin’ny hery  politika samihafa sy ny  tsy miankina ireto ben’ny Tanàna ireto. Malalaka rahateo ny fidirana ho mpikambana rehefa avy eto  Antananarivo sy ny  manodidina (Grand-Tana).

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.