Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famatsiam-bolan’n y Unesco : nampihantain’ny RGEP ny zazavavy

Famatsiam-bolan’n y Unesco : nampihantain’ny RGEP ny zazavavy

 Nahazo tombony ireo ankizivavy avy any ambanivohitra. Notolorana kojakojam-pianarana sy fanohanana hiatrehana ny BEPC ary vatsim-pianarana ireo ankizivavy kilasy fahatelo any Mangamila sy Beforona. “30 izy ireo ary nandalo mason-tsivana sy fifaninanana kely nampanaovinay. Tanjona ny tsy hialan’izy ireo an-daharana any an-dakilasy na koa hanambadiany mialoha. Matetika,  tsy afa-manohy fianarana  izy ireo rehefa tonga amin’io kilasy io. Lavitry ny ray aman-dreny ary mipetra-drery koa ny sasany ka ilana tantsoroka  sy fanohanana avokoa izany”, hoy ny mpandrindra ny  tetikasa fanohanana ny ankizivavy eny ambanivohitra (RGEP),  Rasoazananoro Tahiana, ny alakamisy teo teny Andohalo.  Tanjon’izy ireo ny hametrahana ny miralenta sy ny fiahiana ny zo maha olona ary koa ny fampivoarana  ny  tsirairay. Manampy izany ny fanentanana ny lafiny fahasalaman’ny tanora. “Manodidina ny 230  ireo mpianatra nahazo tohana amin’ireo… Nanampy anay  ny eo anivon’ny Unesco”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.