Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Betongolo : nohatsaraina ny fitaovan’ny fitsarana fiarakodia

Betongolo : nohatsaraina ny fitaovan’ny fitsarana fiarakodia

Nofoanana ny fitsarana fiarakodia eny amin’ny ivontoeram-pitsarana fiarakodia annexe Nanisana nanomboka, omaly, satria tapitra ny fifanaraham-panofana nifanaovana tamin’ny orinasa Omavet. Efa tamin’ny taona 2014 no tapaka tamin’ny fivorian’ny filankevi-pitantanan’ny Foibe fitsarana fiarakodia fa ilaina ny hanitarana sy hanatsara ny toeram-pitsarana fiarakodia eto an-dRenivohitra noho ny fitomboan’ny fiara ary koa hialàna amin’ny fanofana eny Nanisana hatramin’ny taona 2004, araka ny nambaran’ny tale jeneraly ny foibe fitsarana fiarakodia, ny Jly Ratelo André, omaly teny Betongolo. Nisy, araka izany, ny fandaminana napetraky ny eo anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia ka nafindra eny Betongolo indray ny fitsarana fiarakodia teny Nanisana. Efa nisy ity toeram-pitsarana fiarakodia ity, saingy nohatsaraina ny toerana fandraisana ireo fiara sy ny lafiny fitaovana (ligne de contrôle technique, graveur métallique de plaque chassis, reglophare, analyseur de gaz). Mitentina 2 miliara Ar ny tentimbidin’ireo fitaovana vaovao. Raitra ny fitaovana ary tsy misy ahafahana manao hosoka mihitsy, araka ny fanazavan’ny Jly Ratelo André. Ny taxi-be sy ny fiarakely no tsaraina eny Betongolo raha eny amin’ny fitsarana fiarakodia annexe By-Pass na annexe Ivato kosa ireo taxi-be suburbain, ny kamiao milanja 3,5 taonina no ho mihoatra, ny taksiborosy, ny traktera ary ny “remorque” sy ny “semi-remorque”.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.