Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambonara – Nosy Be Hell Ville : Gazy nipoaka tao amin’ny garazy, fiara telo sy Bajaj iray kilan’ny afo

Ambonara – Nosy Be Hell Ville : Gazy nipoaka tao amin’ny garazy, fiara telo sy Bajaj iray kilan’ny afo

 Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo vokatry ny fahamaizan’ny garazy iray ao Ambonara Nosy Be Hell Ville, omaly maraina. Fiara telo sy Bajaj iray indray kilan’ny afo…

 Vokatry ny fipoahan’ny tavoahangina gazy tao amin’ny garazy iray ao Ambonara ny nahatonga ny loza. Kila hotohoton’ny afo ny fiara telo sy Bajaj iray tao amin’ilay garazy. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo olona teo amin’ny manodidina ilay garazy. Tampoka rahateo ny fipoahana ka nahataitra ny olona teo an-tanàna. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny fipoahana fa ny gazy efa nipoaka narahina afo nijoalajoala no nahataitra ny olona. Nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ny olona saingy tsy nahatohitra ny fijoalajoalan’ny afo. Tsy nisy fitaovana famonoana afo rahateo tao amin’ity garazy ity ka isan’ny nampanano sarotra ny famonoana ny afo izany. Kila tsy nisy noraisina intsony ireo fiara sy bajaj ary ilay garazy niantombohan’ny firehetana. Tonga haingana teny an-toerana, fotoana fohy taorian’ny fahamaizana ny mpamonjy voina namono ny afo.

Voalazan’ny fampitam-baovao avy any an-toerana fa saika niitatra tamin’ny trano teo amin’ny manodidina ny afo raha tsy tonga haingana ny mpamonjy voina namono izany. Nisy fiara roa hafa notselaran’ny afo nipetraka teo akaikin’ilay garazy. Naharitra ora maromaro ny famonoana ny afo. Voafehy ihany anefa izany, saingy tsy nisy noraisina intsony ireo fiara sy ny entana rehetra tao amin’ilay garazy. Mitentina antapitrisany maro ny fahasimbana vokatr’ity fahamaizana nateraky ny fipoahana gazy ity. Tonga nanao fanadihadiana teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary. Mandeha ny famotorana momba ity raharaha ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.