Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tanambe, Amparafaravola : ny fokonolona no manomana lasantsy iasan’ny zandary

Tanambe, Amparafaravola : ny fokonolona no manomana lasantsy iasan’ny zandary

“Sarotra ny hanisy zandary isam-baravarana. Fanamoràna ny fahafahan’izy ireo manafaingana ny fidirany an-tsehatra, any amin’ny toerana rehetra, raha vao misy ny ilàna izany, no hitan’ny mpivory, ny 16 janoary teo, tao Tanambe, Distrikan’Amparafaravola, fa azo tanterahana sy mety hahitam-bokatra”, hoy ny fanazavana.

Tapaka fa ny fokontany tsirairay no tsy maintsy manomana lasantsy fiandry lalandava, hampiasaina isaky ny misy ny ilàn’ny zandary izany. Tsy maintsy manangana andrimasom-pokonolona ny isan-tanàna. “Alamina mba tsy hatetika loatra ny fandraisan’ny olona iray anjara ka ho reraka ambony ihany. Tsy ilana olona koa ny miambina satria hitily sy hanara-maso izay mety hetsik’izay manafika, ihany aloha, no tena anadraikitr’izay miambina”, hoy ny fanamafisana. Hanaitra ny mpiray tanàna izy ireo fa anjaran’izy ireo indrindra ny manaitra, an-telefaonina, ny tanàna sy vohitra manodidina , satria tsy maintsy ho làlan’ireo jiolahy ireny rehefa vita ny asa ratsiny. Tairin’izy ireo miaraka amin’izay koa ny tobina zandary manodidina. Eo no ilana ilay tahirin-dasantsy isan-tanàna. Misy avokoa ny vohitra mety halehan’izy ireo. ”Velarina mialoha ny fandrika handrakofana azy rehefa hilefa satria toa sarotra ny hisambotra ireo jiolahy eo am-panaovana ny asa ratsiny: manana basy mantsy ry zareo”, hoy ny fanazavan-dRanarisoa Désiré, lehiben’ny faritr’Alaotra-Mangoro.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.