Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Takaitran’ny rivodoza Ava : nanampy ny traboina ny mpino sonita

Takaitran’ny rivodoza Ava : nanampy ny traboina ny mpino sonita

Tsy nitazam-potsiny ny fahavoazan’ny mponin’i Toamasina ny Fivondronamben’ny mpino mozilimanina (CMSM). Nitondra fanampiana sy fanohanana ireo traboina tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Ava farany teo izy ireo, ny herinandro teo. Nahitana kojakoja ilaina amin’ ny fiainana andavanandro (PPN) sy fitafiana izany fanomezana izany ho an’ireo fianakaviana maherin’ny 500 any an-toerana. Nialoha izany, nitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fanadiovana sy ny fandraofana fako tamin’ireo fokontany maromaro koa izy ireo. Anisan’izany ny ao Ambolomadinika sy ny manoloana ny Paositra malagasy ary ny teny Anjoma. Nampiasa kamiao izy ireo tamin’izao asa fanadiovana izao. Mbola hitohy izao hetsika ataon’ireto mpino sonita ireo izao na eo amin’ny fanadiovana na koa eo amin’ny fanampiana sy fanohanana ireo traboina na sahirana. Nitarika izany tany an-toerana ny filohan’ny CMSM, ny Sheik Harona Moussa. “Miezaka isika hanao ny fomba rehetra hanasoavana ny mpiara-belona sy ny firenena. Tafiditra amin’ny fampianarana ny finoana silamo izany”, hoy izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.