Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saripika : misokatra ny fifaninanana iraisam-pirenena

Saripika : misokatra ny fifaninanana iraisam-pirenena

Tsy mijanona hatreo amin’ny fialamboly ny fakana saripika ho an’izay tia izany. Ankoatra ny fananana fitaovana raitra, mitaky fahaizana sy aingam-panahy ihany koa ny fiangaliana azy ity… Rehefa mahafehy izay, afaka mifaninana avy hatrany !

Mihamarobe ny tanora mankafy maka sary. Sehatra iray hitsarana ny fahaizana sy hivelarana amin’ny any ivelany ny « Lens culture portrait Awards ». Fifaninanana fanao isan-taona izy ity. Ny mampiavaka azy, sary « portrait » na sarin’olona manatrika no tsy maintsy halefa hifaninana.

Miha goavana hatrany ny loka ampanantenain’ny mpikarakara ity fifaninanana ity, satria miisa roa be izao ny fandraisana anjara amina fampirantiana ho an’ny mpandresy. Tsy iray fotsiny ihany koa ito farany fa maromaro. Misy ny « Prix série », « Prix image unique » ary ny safidin’ny mpitsara.

Araka izany, hampiranty ny sanganasany any amin’ny toeram-pampirantiana antsoina hoe «Photo London », ny volana mey izao, ny mpandresy amin’ireo sokajy ireo. Aorian’izay, ny volana jolay, ho any Arles. Samy hetsika iraisam-pirenena sy samy manan-danja ireo fampirantiana roa ireo.

Ho an’ny mpifaninana rehetra, tombony lehibe ny fahitan’ny mpijery ny hetsika « Lens culture portrait Awards », izay miisa 2.8 tapitrisa ny sary nalain’ny tsirairay. Ankoatra ireo, tsy vitsy koa ireo mpitsidika tranonkalam-pifandraisana. Manantena ny fandraisan’anjaran’ny mpakasary avy amin’ny firenen-tsamihafa ny mpikarakara.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.