
Anisan’ny nahafantarana an’i Ny Toky ilay fampiaraham-peo nataony tamin’i Meizah amin’ilay hira « Tsy androany ihany ». Tsy nijanona hatreo ny fahaiza-manaony eo amin’ny tontolon’ny hira fa nohateveniny amin’ny fikirakirana ny mozika. Anisan’ireny ny fahaiza-mifehy karazan-javamaneno, ny fihirana amin’ny gadona maroloko (milamina, mihetsika). « Fandalinana sy fianarana lavitra ezaka no nolalovako vao afaka milalao malalaka anatin’ny mozika aho », hoy i Ny Toky.
Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia izao, namoaka vazo mifanitsy amin’izany ity mpanakanto tanora manana ny mampiavaka azy ity. « Za fa love », hira narindra amina gadona mafana. Ankoatra izay, maro ny sanganasany efa nanehoany ireo fahaiza-mifehy zavamaneno sy gadona maro ireny. Anisan’ireny ny « Tsy ho ahy ianao ».
Tsikaritra ho mirona kokoa any amin’ny fivetsoana fitiavana ny tononkiran’i Ny Toky. Raha ny fanazavany, hivoaka tsy ho ela ny vokatra vaovao hoenti-mamaly ny hetahetan’ny mpankafy. « … Satria tsy afa-miala amin’ny fifandraisana sy serasera ary fivelarana ny tontolon’ny zavakanto, noho izany, noforoniko ny kaonty « fb » , « Toky Madagascar », ahafahako sy ny olon-drehetra mifampita vaovao », hoy izy.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.