Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitohy ny adin’ny mafy ady

Mitohy ny adin’ny mafy ady

Lasa iny ny janoary, heverin’ny maro ho anisan’ny volana lava sy mafy indrindra ao anatin’ny taona. Rehefa tena zohina anefa, tsy misy fahasamihafana intsony ny fotoana eto amintsika, satria efa iainana isan’andro ny fiainana mafy ao anatin’ny ady. Ady mafy nahatonga ny voambolana « mafy ady », niforona tamin’ny Repoblika faharoa, fotoana nanombohan’ny Malagasy maro an’isa miaina anaty fahantrana lalina, nampahantraina mitohy tsy ankijanona hatramin’izao.

Tsy foana ary mitombona foana io voambolana io sady mba ampiasain’ny mpitondra, ankehitriny koa amin’ny fomba mampety azy. Milaza fa governemanta vonon-kiady, saingy tsy fantatra na miady amin’inona na miady amin’iza, satria hita indraindray eny ihany ny fahavalo, tena mifandona aminy raha jerena sy ny hita amin’ny tranga andavanandro. Ao anatin’ny fotoana hiatrehana ny fifidianana isika, ka matetika fahita ny fifandonan’ny fitondrana sy ny mpanohitra amin’ny lafiny sy ny endriny samihafa efa iaraha-mahalala. Izany hoe, adilahy politika no tena ifandroritana, fa tsy natrehina ny ady amin’ny dahalo, ny ady amin’ny asan-jiolahy ; ny ady amin’ny halafosan’ny vary, ny fidangan’ny vidin-kena, ny amin’ny entana hafarana avy any ivelany ; ny ady amin’ny fisondrotan’ny Jirama ; ny ady amin’ny fitotongan’ny Ariary ; ny ady amin’ny fahavakisan’ny fefiloha ; sns. Rahampitso, mety hisondrotra indray ny vidin-tsolika, mipasoka ny efa malama manamafy ireo ady tsy vita ireo, fa miandry ny amin’ny taona 2030.

Tsy misy afa-tsy ny mafiady irery ihany no sahy miatrika ireo voatanisa ireo, matoa tsy mbola maty izy ireo na efa natao sorona hatry ny ela aza. Ny ankoatra azy, ady seza no mahamaika hahazoana tombontsoa sy voninahitra tsy maharitra mandrakizay fa aingitraingitra ety an-tany ihany! Soa, fa misy ny Mpiaro sy ny Mpiahy ny mahantra sy ny osa tsy voatohitry ny ety an-tany.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.